RAKIMAILAKA

Nampidirin'i betroka | 11 Jio, 2011

Ny poetawebs dia manolotra rakimailaka ho an'ny mpisera te hifandray manokana amin'ny poeta malagasy. Anisan'izany ianao mpakafy tononkalo, toy izany koa ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpanakanto samihafa sns. Raha liana ianao dia sokafy ny takelaka

http://poeta.webs.com/rakimailaka.html

 "... ndehana lazao ny tany rehetra ny momba ahy"

VELONA NY POEZIA MALAGASY !

Nampidirin'i betroka | 13 Nov, 2010
Tsapa ho nihanahazo aina tato ho ato ny hetsiky ny poeta sy mpanoratra malagasy. Inona angaha, hoy ianao, no maripana azo andrefesana izany ? Tsy hilaza ny iaraha-mahita sy iaraha-mandre izahay fa izay voalaza ombieny ombieny eny amin'ny haino aman-jery no aoka atao ampy ho porofo mitohaka amin'ny tendany, eny fa na dia tsy hiresaka afa tsy ny zava-niseho tato anatin'ny volana vitsy aza isika.

Tao ny herinandron'ny Havatsa tamin'ny volana oktobra toy ny fanao isan-taona. Niavaka ny tamin'ity taona ity satria nomen-danja ireo mpanoratra mamokatra sangan'asa ampiasain'ny mpianatra any an-tsekoly. Fantatra amin'izany ry Dox, Clarisse Ratsifandrihamanana, Rajemisa Raolison sns. Ankoatra ny diam-penin'ireo mpanoratra zokiny famakintsika any amin'ny Fary Mamy, Takelaka Notsongaina sns dia miseho sehatra ankehitriny ireo zandriny toa an-dry IPA Ramangatiana, ary misy aza no tena zandriny izay efa nanaovana asam-pikarohana eny amin'ny Anjerimanontolo ny talentany.

Anisan'ireny poeta zandriny ireny i Zo Maminirina mpiray Faribolana ao amin'ny Sandratra tamin'ny alalan'ny sanganasany "Nofinofinao". Rehefa miresaka Sandratra ihany isika dia tsy azo hodian-tsy fantatra ny hetsika indroa isam-bolana atolony ho an'ny mpakafy poezia izay ahazoan'olona hatrany ary tsy tapaka mihitsy nandritry ny 20 taona nijoroan'ny Mpiray Faribolana. Vao tamin'ny 27 oktobra teo ny mpijery no nianoka ny Anjoria. Tsy adinoin'ny maro koa "i Tanila" tamin'ny septambra sns. Arahan'ny famoaham-boky hatrany ireny hetsika ireny.


Na dia sarotra aza ny fanontana boky dia tsy mikely soroka ireo mpanakanto mandany mondro kely sy mikimpy maso mihitsy nohon'ny vesatry ny sarany. Singanina amin'izany ny bokin'i Hajaina "Sarinofy Randrantelo". Ary tsy ny eto an-toerana ihany no tafaroboka amin'izany fifaninanana "masina" izany fa ao koa ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any ampitandranomasina. Anisan'izany i Lalasoa Berïnson namoaka ny "Anakampoko", natolotra tao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy.

Maro tokoa ireo tranonkala miresaka momba ny poezia sy ny poety Malagasy. Voalohany amin'izany angamba ny "haisoratra.org" izay tsy tapaka mamoaka tononkalo sy vaovaon'ny haisoratra. Efa diso fantatry ny maro koa ny vetso.serasera izay, raha tsy diso ny faminavinanay, dia ahitana tononkalo betsaka indrindra. Ny zandriny indrindra amin'izy ireny, kanefa mahavelom-bolo, dia ny poetawebs izay tsy mihanona amin'ny fampielezana tononkalo sy vaovao fotsiny fa mamolavola tapatapak'ahitra iarahana amin'ny poeta. Anisan'izany ohatra ny resadresaka farany nifanaovana tamin'i Lalasoa Berïnson sy Antsiva. Manomboka maneho famakafakana tononkalo ihany koa ny tranonkala. Mikasika ireo tranonkala manokan'ny poeta indray dia ahitana ny lisitr'izy ireo ny tranonkalan'i Toetra RAJA.

Na dia eo aza ny herin'ny kolon-tsaina vahiny eto amintsika dia mendri-piderana tokoa ireo mifikitra amin'ny fampiroboroboana ny poezia malagasy amin'ny alalan'ny kely ananana. Tokony ampatsiahivina indray ve fa tsy moramora ny fikarakarana ireny sehatra indroa isam-bolana fanaon'ny Sandratra ireny kanefa dia tsy misy vidim-pidirana fa boky no amidy ? Akoatra ny boky teo aloha mbola tsy voajifa tanteraka dia misy ny boky natonta manokana ho an'ny sehatra. Misy sarany avokoa ireny kanefa soa ihany fa teo isika mpanjifa sehatra sy boky mamelombelona ny hafanam-pon'ireo poeta ho sokajiantsika toy ny mahery fon'ny literatiora malagasy. Soa fa miroborobo ny tranonkala iaretan-tory isan'andro kanefa atolotra maimaimpoana sy am-pitiavana. Soa fa ao ireo namantsika any ivelany miara-misalahy amintsika toy ny Havatsa Upem sampana Frantsa. Manankarena tokoa ity taona 2010 ity tamin'ny hetsika an-tsehatra, hetsika an-tsoratra ary  hetsika an-tserasera, ka andeha isika hiara-hiredona hoe "velona ny poezia malagasy !"

Betroka

FAMAKAFAKANA TONONKALO

Nampidirin'i betroka | 17 Okt, 2010
Olon'ny fo ny Malagasy ka izany angamba no maha be mpakafy asa soratra mampihetsi-po toy ny tononkalo. Porofo mitohaka amin'ny tendany ireo tononkalo zavon-tany miparitaka eny anaty tranonkala maro, eny fa na dia tsy hilaza afa-tsy ireo anarivony hita ao amin'ny vetso serasera aza isika. Ny mahagaga sy somary mahazendana kely fotsiny dia ireo fanamarihana toa somary maivamaivana ihany matetika ka tsy mifanaraka loatra amin'ny lanjan'ny hakanton'ny asa soratra. Raisinay ohatra ireto hevitra manohy ny tononkalo ireto izay zary mahazatra ny mpamaky :

  • Tsy asiana ady hevitra fa marina tanteraka izay voalaza
  • Ao aminao ilay talenta
  • Omeko isa dimy
  • Tena lafatra, asio hafa e
  • Marina tanteraka
  • kanto ery sns.

Tsy sanatria akory hoe tsy misy lanjany izy ireny, sanatria dia sanatria. Ny mifanohitra amin'izany aza no tokony ho lazaina satria arakaraka ny hamaroan'ireny tsikeram-pankasitrahana ireny no vao mainka mampitombo herim-po ny mpanoratra hanao ny misimisy hatrany. Ny "misimisy" hatrany anefa, hoy izahay, fa tsy ny tsaratsara kokoa. Ny kalitao anefa no tena zava-dehibe. Aleo kokoa mamorona tononkalo roa na telo fotsiny eo amin'ny androm-piainana, kanefa avo lenta, toy izay nahavita anarivony kanefa maivamaivana ihany ny kalitaony. Ao ireo feno fahadisoana tsipelina, misy indray ireo tsy migadona mihitsy fa toy ny mamaky lahatsoratra ihany ianao, ary misy aza ireo tsy mampihetsi-po akory na dia kely aza. Tsy sanatria akory misy ny fialonana rehefa ny tononkalo tsy mifanaraka amin'ny heverin'ny tena hoe "tsara" no mahazo fankasitrahana lavareny. Ny hampiakatra avo ny tononkalo malagasy no banjinina. Ny tena marina anefa dia sarotra dia sarotra ny hitompo teny fatratra hoe "tsara" ity tononkalo ity. Ny mari-pana azo eken'ny be sy ny maro ohatra dia ny fahatongavan'ireny tononkalo ireny ho eo ambany mason'ireo mpanala fanadinana.

Toy ny zavatra rehetra dia miaina ny tononkalo. Misy ireo azo lazaina fa manana fetr'aina tsy mihoatran'ny andro vitsivitsy. Ao kosa ireo lava velona hatrany ka na dia efa an-jato taonany maro aza no niainany dia mbola sedrain'ny famakafakan'ireo zanaka amam-para ihany. Mazava ho azy fa tsy mitovy fijery ireo mpamakafaka, indrindra anie ka olona tsy mitovy vanim-potoana iainana no manao izany. Ny mpanoratra sy ny mpamakafaka rahateo aza moa tsy voatery hitovy fihevitra.

Mby eo amin'ity resaka famakafakana ity indrindra isika izao. Nahatalanjona anay ny nahita kisendrasendra famakafakana tononkalo izay mbola tsy hitanay mihitsy tamina tranonkala. Antenaina anefa fa tsy maningana izy ity fa mba misy any ho any mpamakafaka (mpampianatra teny malagasy, mpianatra, mpikaroka, mpanoratra, olon-tsotra sns) mampiely fanadihadiana eo anivon'ny tranonkala. Ny tononkalo mantsy dia asa soratra; ny famakafakana koa dia mbola asa soratra ihany koa. Tsy ho lava taria intsony izahay fa mamporisika anao hamaky ny famakafakana ny tononkalon'i Rô Andriamaneva mitondra ny lohanteny hoe "Nikimpy aho", izay nosoratana tamin'ny taona 1963 ary nofakafakaina ankehitriny, 47 taona taty aoriana. Mamporisika anao mpamaky koa izahay, izay afaka, hanandratra ny tononkalo malagasy amin'ny alalan'ny famakafakana. Misaotra tompoko.
Betroka

VASAVASA ... TAFATAFA

Nampidirin'i betroka | 8 Okt, 2010
Tsy andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy akory ny faha 13 oktobra 2010 fa andro alarobia faharoan'ny volana, andro mahazatra fihaonan'ny Mpiray Faribolana amin'ireo mpakafy tononkalo sy haisoratra. Hiavaka anefa ny amin'ity indray mitoraka ity satria hanana ny toerany manokana ireo poeta sy mpanoratra andriambavilanitry Gasikara. Lydiary na Rakotosolofo Lydia, vady andefimandrin'i Solofo José, no hamelabelatra ny lohahevitra "Ny vehivavy sy ny haisoratra" amin'ny alalan'ny teny filamatra manao hoe "vasavasa ... tafatafa". Hiarahany manatontosa amin'ny Mpiray Faribolana aminy izany ao amin'ny Foiben-toeran'ny Vaomieram-pirenena Malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO ao Behoririka.

Aiza ho aiza ny toeran'ny vehivavy amin'ny haisoratra ankehitriny ? Mialoha izany dia tsara ny mampatsiahy fa azo nisaina tamin'ny rantsan-tanana ireo vehivavy poeta sy mpanoratra nalaza tany aloha. Na teo aza ny fahavitsiana dia tiana ny hitanisa anarana sendra mitambolina ao an-tsaina noho ireo diam-penina nandrotsika ny fo amam-panahy nandritra ny taom-polo maro. Anisan'izany ry Clarisse Ratsifandrihamanana, Esther Randriamamonjy, Josephine Ranirina (Ny ombin-tsarety sy ny olona), Ravaoseheno Suzanne, Sahondra Ravaka, Esther Ralalaharisendra (Essy Lala), G.R.G., Ramaholimihaso sns. Taty aoriana indray dia zary tsy tambo isaina ireo nanara-dia nitondra ny filamatra ka nipoiran'i Antsiva, Thina Andriafaly, Niravo (Voahirana Randria), Hanitr'Ony, Aina Randrianaivosoa, Tolotra Arinandriana, Tsirinala, Hajaina, Ny Eja, Fara-H, Emée, Abéline Eléonore, Griffine sns. Ary tsy hay ny tsy hanonona indray ny anaran'i Lydiary, izay sady poeta no mpanoratra, mpisehatra, mpanabe ary mpamorona tantara an'onjam-peo ihany koa. Izy rahateo koa moa no anisan'ireo vy nahitana ny Faribolana Sandratra.

Fandre matetika ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika, fanatanjahan-tena, fivavahana, hira sy mozika sns. Tsy ho omby araka izany ny toerana azo hitanisana ireo anaran'olona malaza sy mivelatra eo amin'ny isan-tokajiny. Ary eo amin'ny haisoratra ? Tongava maro hanatrika ny vela-kevitra momba izany amin'ny 13 oktobra (jereo ny petadrindrina).
 
Betroka

Literatiora Betsimisaraka

Nampidirin'i betroka | 5 Sep, 2010
Eo amin'ny sehatry ny tononkalo malagasy dia mazàna ireo poeta mpikirakira teny malagasy ofisialy no tena fantatry ny maro. Misy dia misy tokoa anefa ireo poeta mivelatra amin'ny fitenim-paritra saingy tsy re ako any ivelan'ny toerana misy azy ireo. Antony lehibe mahatonga izany ny tsy fahafahana manonta boky ho azo vakian'ny rehetra. Ny fitenim-paritra rahateo moa indrisy fa tsy mahazo vahana loatra amin'ny fandaharam-pianarana manerana ny Nosy. Soa ihany fa eo dia eo kosa ny radiom-paritra miezaka manandratra ny sangan'asan'ireny mpanoratra ireny. Anisan'izany ny ao Toamasina araka ny tapatapak'ahitra nifanaovan'i Babity Laurent tamin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy. Mazava ho azy fa ny literatiora betsimisaraka no nifampizarana tamin'izany.

Mety hahatalanjona koa ankoatra izany ny fahatsapana fa manavanana azy ireny koa ny teny malagasy iombonana. Rehefa tomorona anefa dia tsy misy tokony hahagaga izany satria ampiasaina any an-tsekoly ny teny malagasy iombonana. Misy amin'ireny poeta sy mpanoratra ireny rahateo moa no mpampianatra teny malagasy. Mazava ho azy fa tombony ho azy ireny ny fahaizana fiteny roa eny fa na dia ny fananana voambolana maro dia maro tokoa satria ny tenim-paritra dia teny malagasy madio mangarahara.

Mitondra ny anjara birikiny entina manazava izany i Babity Laurent izay fantatra fa poeta, mpampianatra teny malagasy, mpiandraikitra fandaharana amin'ny radio momba ny haisoratra ary filohan'ny Havatsa Upem sampana Toamasina. Mampanahy azy ny fomba fampiasan'ny tanora ny teny malagasy araka ny voalaza ao amin'ny tranonkala.
Betroka 

TSIDIKA ATSINANANA TAO TOAMASINA

Nampidirin'i betroka | 28 Mey, 2010
Tratra ny tanjona araka ny hita tao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny tranonkalan'ny poeta malagasy. "Nibosesika ny olona" hoy ny mpanoratra ary hiboka avokoa izay efitrano rehetra nanaovana fihaonana tamin'ny 28 mey 2010 teo tao Toamasina.

 
Tsy nampoiziko ihany ny naha betsaka ireo olona liana sy mamnkafy ny haisoratra malagasy any amin'ny faritany. Izaho aho vao tsapa tokoa fa iray ihany ny teny malagasy toy ny Malagasy ihany. Ny HAVATSA UPEM no loharano nipoiran'izao fihaonana izao. Nanampy azy tamin'izany ny Tranom-boky Monisipaly sy ny sekoly maro tany an-toerana. I BABITY Laurent, filohan'ny HAVATSA sampana Toamasina no namaky lay ny fihaonana ary nodimbiasan'ireo mpanao vela-kevitra, dia I.P.A. (Ramangatiana) sy Fara-H (Ramanambelina) izay samy mpanoratra sy mpampianatra avokoa.
 
 
 
Ny mpianatra no tena nokendrena tamin'ity hetsika ity satria nibahana tao amin'ny fandaharam-potoana, izay naharitra roa andro, ny fanehoana ireo bokim-pianarana manomboka amin'ny kilasy fahatelo ka hatramin'ny kilasy famaranana. Tsy diso anjara tamin'izany koa ireo mpampianatra, mpanoratra, mpanao gazety sy olon-tsotra maro tsy voatanisa.
 
 
 
Hatao toy ny valalan'amboa indray ve ny teny malagasy ka ny tompony indray no ho tsy tia ? Tsapa fa mahafehy tsara ny teny malagasy ny mponin'i Toamasina sady mahafehy ihany koa ny fitenim-paritra. Ny fitenim-paritra moa dia harem-pirenena tokoa ka tsy maintsy tandrovana. Marihana fa maro amin'ireo teny malagasy ofisialy, lazaina fa nentin'ireo mpihavy avy any Azia, no tsy tenenina intsony. Any amin'ny tenim-paritra sy anaran-tany anefa no mbola ahitana azy.
 
Fisaorana lehibe no atolotra an'ireo mpikarakara ny hetsika. Tsy hadinoina etoana ireo vahoaka maro be naneho ny fitiavany hanandratra ny kolo sy ny teny malagasy. Raha maniry hahafantatra bebe kokoa an'iny hetsika iny ianao dia mahazo mitsidika ny takelaka ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy
Betroka 
 

HAVATSA tao Antanimora

Nampidirin'i betroka | 5 Mey, 2010

Angamba ianao hanontany tena hoe Antanimora, ilay toerana fitazonana ny voafonja ve no novangian'ny HAVATSA ? Eny tokoa ! Tao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy no nahitana an'io lahatsoratra io. Toa zary fanaon'ity fikambanana ity ny manao hetsika miala kely amin'ny mahazatra.

Ny tena mahagaga aza dia tsy mba solon-tenan'ny fikambanana ihany no nidina teny fa ny birao foibe mihitsy izay notarihan'ny filohany Wilson Razafiarivony sy ny filoha lefitra voalohany IPA na Iharilanto Patrick Ramangatahiana.

Maro ny zava-niseho teny fa ny lehibe indrindra dia ilay fifaninana momba ny literatiora izay nanomezana loka ho an'ireo olona 10 nisongadina. Tsy azo amaivanina koa ny fanafanàna ny fotoana nataon'ny fikambanana tamin'ny alalan'ny tononkalo, sombin-tantara, kabary. Nanolotra boky ihany koa izy ireo ho an'ny efitra famakiam-boky ao an-toerana (jereo ny antsipirihany).

Tsy azo anaovana zanak'Ikalahafa ny literatiora eny fa na dia ireo olona sy karazan'olona efa nailiky ny fiaraha-monina aza. Tsy vitsy amin'izy ireny aza ve no lasa modelin'ny fiaraha-monina rehefa voaefa ny sazy ? Amin'izao fotoan-tsarotra lalovan'ny firenena izao mantsy dia mihamaro ireo olona voaheloka. Maro tokoa ny nahita fianarana ka te hanatevina ny fandalinam-baovao sy literatiora. Misy rahateo moa ny bado kanefa mangetaheta fahalalana. Ao amin'ny efitra famakiam-boky no azon'izy ireo itovozana izany. Tsy ho araky ny fanjakana koa ny famatsiana boky vaovao ao amin'ny fonja ka dia isaorana indrindra ny Havatsa tsy manadino. Manaraha koa izay afaka manao. Angamba mety hisy hieritreritra hoe izay gadra ve no hisahiranana kanefa ny olan'ny fiaraha-monina hafa aza tsy hita izay anaovana azy ? Mety ho marina angamba izany kanefa rehefa ny havana akaiky no lavo eny (misy aza nohon'ny tsy rariny) dia ho tsapa fa ilaina tokoa ny zavatra toy izao.

Mandram-piblaogy tompoko. 

Hetsiky ny Havatsa Toamasina

Nampidirin'i betroka | 23 Apr, 2010
Hetsika miala kely amin'ny mahazatra no tanterahana ao Toamasina amin'ny 13 sy 14 mey 2010 nohon'ny antony telo :
  • noho izy volavolain'ny sampana any amin'ny faritany
  • noho izy natokana manokana ho an'ny mpianatra
  • nohon'ny fiaraha miasa amin'ny Tranomboky Monisipaly sy ny sekoly maro.
Ankalazaina matetika ireo hetsika miseho ao Antananarivo. Maro anefa ireo sampana any amin'ny faritany, na ireo avy amin'ny Havatsa izany na ireo avy amin'ny Mpiray Faribolana. Efa fantatra ihany koa moa fa manana sampana any Frantsa ny Havatsa. Indraindray anefa dia tsy mba henoheno ny hetsika ataon'izy ireny. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia nanokana takelaka iray ho an'ity hetsika antsoina hoe "TSIDIKA ATSINANANA" ity ny tranonkalan'ny poeta malagasy. Voalaza ao koa aza fa hisy manampahefana sy mpanao gazety ho tonga amin'ny fotoam-panokafana. Ankoatra izany dia hisy mpikambana avy any amin'ny Hvatsa foibe koa hanatevin-daharana an'ireo mpikambana ao amin'ny sampana izay tarihan'ny filohany BABITY Laurent.
 
Ho fanabeazam-boho ny teny malagasy dia nitodika manokana any amin'ny mpianatra ny fikambanana. Havoitra amin'izany indrindraindrindra ireo boky malagasy tafiditra amin'ny fandaharam-pianarana manomboka amin'ny kilasy fahatelo ka hatramin'ny kilasy famaranana. Poeta sy mpanoratra fantatry ny maro no hanao famelabelaran-kevitra amin'izany :
  • Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA na IPA amin'ny bokiny "Vakivakim-piainana"
  • RAMANAMBELINA Henriette na FARAH-H izay mpampianatra/mpikaroka amin'ny teny malagasy rahateo.
  Hisy fampirantiana mandritry ny roa andro ao amin'ny Tranomboky Monisipaly. Hisy ihany koa ireo boky azo jifaina amin'ny vidiny mirary. Hitety sekoly ny fikambanana toy ny Lycée Rabemananjara sy ny Lycée Stella Maris. Ireo famelabelaran-kevitra voatanisa etsy ambony moa dia hanasana manokana ireo mpianatra avy amin'ny sekoly maro ao an-toerana. Na izany aza anefa dia azon'ny olon-drehetra atrehana ny fotoana rehetra. Ny fandaharam-potoana dia azonao jerena eto.

SAKOROKA

Nampidirin'i betroka | 16 Apr, 2010

Tsapa ho miroborobo tokoa ny poezia malagasy tato ho ato. Vao tsy ela akory no namoaka ny Tatamo manokana sy ny revio Havatsa ny fikambanana Havatsa. Teo ihany koa ny fankalazana ny faha 5 taonan'ny sampany any Frantsa. Etsy andanin'izany koa dia manohy ny seho fanaony isam-bolana ny mpiray Faribolana Sandratra.

Toy ny vao omaly ny sehon'ny "Hiran'ny matoy" sy ny "Anaty fon'ny tany" dia indro sahady fa mandondom-baravarana ny "Sakoroka" hiangalian'i MAHEFA sy JIMMY R.J.H. amin'ny alarobia 28 aprily ao amin'ny C.G.M., toerana mahazatra fihaonan'ny Sandratra sy ny mpakafy poezia. Ny fanahy raha miainga dia misy mpanamory. Tsy azo moramoraina anefa ny tranga aseho fa ireo sangan'ny aingam-panahin'izy mirahalahy mihitsy no hatolotra ao. Ny namana ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy dia nanokana sombin-dahatsoratra manokana momba ity hetsika ity.

Namoaka indray ny Havatsa : HAVATSA

Nampidirin'i betroka | 17 Mar, 2010

Izany lohateny izany ry namana no hitako tao amin'ny blaogy iray miresaka manokana momba ny tontolon'ny poezia malagasy. Tsy zoviana amin'ny mpakafy tononkalo intsony ny fikambanana Havatsa toa ilay zandriny (ara-taona) Faribolana sandratra.  Samy manana ny maha izy azy ireo fikambanana roa ireo eny fa na dia betsaka aza ny marimaritra iraisany : samy manao hetsika matetika andampihazo, samy mamoaka boky matetika, samy mamoaka revio sns. Fa ny momba ity farany ity no resahana eto satria tafavoaka ny revio HAVATSA, ilay nandimby ny VALIHA niarahana nanatontosa tamin'ny gazety lehibe Tribune de Madagascar. Fa maninona moa no nateraka indray ny revion'ny fikambanana ? Inona no votoatiny sns. Fanontaniana manitikitika ny saina amam-panahy izany ka asa raha misy afaka mamaly dia raisina an-tanan-droa.

Araka ny hevitray dia ilaina amin'izao vaninandron'ny fanontoloana izao ny mampitafy akanjo vaovao ny fitaovana enti-mamokatra. Eo indrindra koa moa ny firoboroboan'ny serasera sy ny aterineto ka angamba mbola tsy hita izay maharatsy ny soratra an-taratasy. Miloko rahateo moa ny boky izany hoe manara-penitra. Ny soratra rahateo moa hono mitoetra ary ny sary mitaratra ny marina ka inona indray moa fa tsy tafahaona izany ny tia sy ny manina ?

32 takila ny ao anatiny. Toa azo lazaina ho maivana ihany izany kanefa dia revio no resahana fa tsy boky tsy akory. Manaraka izany dia mamelà ahy ianareo ilazako fa mavesa-danja kosa ny votoatiny ary araka ny maha vitsy ny takelaka no maha voatery ny tomponandraikitra hamintina ny zava-boalaza. Io moa izany ilay tonga amin'ny fitenenana hoe toy ny donan-kafon'Analakely ka tonga dia eny ambovonana.

Izay no ela fa andeha ho tanisaina am-pahatsorana ireo renihevitra ao anatiny. Misy ny vahiny manan-kaja sy mahafantatra tsara ny haisoratra sy ny teny malagasy asaina. Ao koa no anazavana ny voambolana vao noforonina tsy mbola hita any amin'ny rakibolana ary tsy mbola nivoaka an-gazety. Ahitana toro-lalana na tari-dalana ao amin'ny revio indrindra fa ho an'ireo zandry zanaka vao mirotsaka amin'ny fanoratana. Betsaka tokoa ny renihevitra trandrahana ao kanefa tsy ary voatanisa ka ny mpanoratra ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy no manasa antsika hizaha ny boky ary hanandrana ny tsirony dieny izao ao amin'ny tranonkala ihany.

Mandra-piblaogy indray i Betroka.

AKON'NY HIRAN'NY MATOY

Nampidirin'i betroka | 6 Mar, 2010

Variana ery ahonisavasava ny raki-tsary niely tao amin'ny facebook mikasika an'iny sehatry ny"ALIN'NY MATOY" iny. Dia tena fety tokoaanie ny teny ! Resy lahatra aho fa mbola betsaka ny Malagasy voasarik'irenyangalin-tononkalo ireny. Manontany tena ihany anefa aho fa sao dia nohon'nymaha matotra sy be traikefa an'ireo nanafana ny lanonana no nahabetsaka nyolona ?

 

Raha todihana dia anisan'ireo galifantsin'ny tononkalo malagasy izy telolahy matoy ireo. Tsy zoviana amin'ny maro i Nalisoa Ravalitera, izaympampianatra teny malagasy, anisan'ireo nanoratra ny boky fiton'ny FARY MAMY,efa nosedrainay tany amin'ny bakalorea aza ny poeziany. I Om'Guy indray moa diatsy zoviana fa lehiben'ny tarika NY AINGA. Fantatsika loatra ny hakanton'nytononkiran'izany tarika izany. I Ranoe indray dia ialako tsiny fa tsy diafantatro loatra ankoatra ny anarany resahana matetika amin'ny gazety syOnjam-peo.

Raha ny amin'nympijery indray dia nahavariana tokoa fa raha mbola tsy nivoha akory nyvaravaran'ny C.G.M. dia efa maro no nilahatra teny ivelany. Fantatra loatra moafa zavatra tena mahaliana tokoa no ilaharan'ny olona raha tsy hiresaka afa-tsyny filaharam-bary isika. Tao anatiny indraynony avy eo dia hiboka olona hatrany amin'ny varavarana ka hatreo an-tongotryny sehatra. Maro araka izany no tsy nahazo seza fa nitalapetraka na nitsangana.Tanora no betsaka ary nilamina tokoa izy ireo satria na ireo tsy nahazo sezaaza dia samy nangilan-tsofina avokoa tao anaty fahatoniana, izany no tongaamin'ny fitenenana hoe ny feon-dalitra aza re. Nandray anjara tokoa ny mpijery,tsy tamin'ny alalan'ny tehaka sy tsikitsiky ihany fa tamin'ny tsangan-tanana,tamin'ny fandraisana an-tsoratra ny zavatra mivaingana tamin'ny fampisehoana.

 

Raha fintinina amin'ny teny fohy dia olon'ny fo ny Malagasy na diafahita amin'ny fiainana andavanandro aza ny adilahy sy ny hazakazakaarahan-tosika isankarazany. Misy ihany ny fotoana hilantoana sy hiatoana arakailay fampisehoan'i Avelo Nidor sy Tahirintsoa ary Solofo José mitondra nylohanteny hoe "FOTOANA MIHANTONA". Tsy ny tononkalon'ireo ngezalahyefa nodimandry ihany tahaka an-dry Dox, Rabearivelo, Rado sns akory nomahasarika ny olona fa efa nanangana olona "MATOY" vaovao ny mpakafytononkalo. Ilain'ny mpijery tokoa ny mihaona mivantana amin'ireny olona ireny. Etoam-pamaranana aho dia te hamaly ilay fanontaniana napetrako teny amboalohany. Tsia,tsy ny hiran'ny  matoy ihany akory no mahasarika ny olon'ny fo satriaisaky ny miaka-tsehatra, na ny mpiray Faribolana na ny Havatsa dia mahavorympakafy avokoa.

Ankoatra ny faccebook dia miresaka momba an'ity sehon'ny Sandratra itykoa ny tranonkalan'ny Poeta Malagasy.