TSIDIKA ATSINANANA TAO TOAMASINA
Nampidirin'i betroka | 28 Mey, 2010Tratra ny tanjona araka ny hita tao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny tranonkalan'ny poeta malagasy. "Nibosesika ny olona" hoy ny mpanoratra ary hiboka avokoa izay efitrano rehetra nanaovana fihaonana tamin'ny 28 mey 2010 teo tao Toamasina.
Tsy nampoiziko ihany ny naha betsaka ireo olona liana sy mamnkafy ny haisoratra malagasy any amin'ny faritany. Izaho aho vao tsapa tokoa fa iray ihany ny teny malagasy toy ny Malagasy ihany. Ny HAVATSA UPEM no loharano nipoiran'izao fihaonana izao. Nanampy azy tamin'izany ny Tranom-boky Monisipaly sy ny sekoly maro tany an-toerana. I BABITY Laurent, filohan'ny HAVATSA sampana Toamasina no namaky lay ny fihaonana ary nodimbiasan'ireo mpanao vela-kevitra, dia I.P.A. (Ramangatiana) sy Fara-H (Ramanambelina) izay samy mpanoratra sy mpampianatra avokoa.
Ny mpianatra no tena nokendrena tamin'ity hetsika ity satria nibahana tao amin'ny fandaharam-potoana, izay naharitra roa andro, ny fanehoana ireo bokim-pianarana manomboka amin'ny kilasy fahatelo ka hatramin'ny kilasy famaranana. Tsy diso anjara tamin'izany koa ireo mpampianatra, mpanoratra, mpanao gazety sy olon-tsotra maro tsy voatanisa.
Hatao toy ny valalan'amboa indray ve ny teny malagasy ka ny tompony indray no ho tsy tia ? Tsapa fa mahafehy tsara ny teny malagasy ny mponin'i Toamasina sady mahafehy ihany koa ny fitenim-paritra. Ny fitenim-paritra moa dia harem-pirenena tokoa ka tsy maintsy tandrovana. Marihana fa maro amin'ireo teny malagasy ofisialy, lazaina fa nentin'ireo mpihavy avy any Azia, no tsy tenenina intsony. Any amin'ny tenim-paritra sy anaran-tany anefa no mbola ahitana azy.
Fisaorana lehibe no atolotra an'ireo mpikarakara ny hetsika. Tsy hadinoina etoana ireo vahoaka maro be naneho ny fitiavany hanandratra ny kolo sy ny teny malagasy. Raha maniry hahafantatra bebe kokoa an'iny hetsika iny ianao dia mahazo mitsidika ny takelaka ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy.
Betroka