VASAVASA ... TAFATAFA

Nampidirin'i betroka | 8 Okt, 2010
Tsy andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy akory ny faha 13 oktobra 2010 fa andro alarobia faharoan'ny volana, andro mahazatra fihaonan'ny Mpiray Faribolana amin'ireo mpakafy tononkalo sy haisoratra. Hiavaka anefa ny amin'ity indray mitoraka ity satria hanana ny toerany manokana ireo poeta sy mpanoratra andriambavilanitry Gasikara. Lydiary na Rakotosolofo Lydia, vady andefimandrin'i Solofo José, no hamelabelatra ny lohahevitra "Ny vehivavy sy ny haisoratra" amin'ny alalan'ny teny filamatra manao hoe "vasavasa ... tafatafa". Hiarahany manatontosa amin'ny Mpiray Faribolana aminy izany ao amin'ny Foiben-toeran'ny Vaomieram-pirenena Malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO ao Behoririka.

Aiza ho aiza ny toeran'ny vehivavy amin'ny haisoratra ankehitriny ? Mialoha izany dia tsara ny mampatsiahy fa azo nisaina tamin'ny rantsan-tanana ireo vehivavy poeta sy mpanoratra nalaza tany aloha. Na teo aza ny fahavitsiana dia tiana ny hitanisa anarana sendra mitambolina ao an-tsaina noho ireo diam-penina nandrotsika ny fo amam-panahy nandritra ny taom-polo maro. Anisan'izany ry Clarisse Ratsifandrihamanana, Esther Randriamamonjy, Josephine Ranirina (Ny ombin-tsarety sy ny olona), Ravaoseheno Suzanne, Sahondra Ravaka, Esther Ralalaharisendra (Essy Lala), G.R.G., Ramaholimihaso sns. Taty aoriana indray dia zary tsy tambo isaina ireo nanara-dia nitondra ny filamatra ka nipoiran'i Antsiva, Thina Andriafaly, Niravo (Voahirana Randria), Hanitr'Ony, Aina Randrianaivosoa, Tolotra Arinandriana, Tsirinala, Hajaina, Ny Eja, Fara-H, Emée, Abéline Eléonore, Griffine sns. Ary tsy hay ny tsy hanonona indray ny anaran'i Lydiary, izay sady poeta no mpanoratra, mpisehatra, mpanabe ary mpamorona tantara an'onjam-peo ihany koa. Izy rahateo koa moa no anisan'ireo vy nahitana ny Faribolana Sandratra.

Fandre matetika ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika, fanatanjahan-tena, fivavahana, hira sy mozika sns. Tsy ho omby araka izany ny toerana azo hitanisana ireo anaran'olona malaza sy mivelatra eo amin'ny isan-tokajiny. Ary eo amin'ny haisoratra ? Tongava maro hanatrika ny vela-kevitra momba izany amin'ny 13 oktobra (jereo ny petadrindrina).
 
Betroka