TSIDIKA ATSINANANA TAO TOAMASINA

Nampidirin'i betroka | 28 Mey, 2010
Tratra ny tanjona araka ny hita tao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny tranonkalan'ny poeta malagasy. "Nibosesika ny olona" hoy ny mpanoratra ary hiboka avokoa izay efitrano rehetra nanaovana fihaonana tamin'ny 28 mey 2010 teo tao Toamasina.

 
Tsy nampoiziko ihany ny naha betsaka ireo olona liana sy mamnkafy ny haisoratra malagasy any amin'ny faritany. Izaho aho vao tsapa tokoa fa iray ihany ny teny malagasy toy ny Malagasy ihany. Ny HAVATSA UPEM no loharano nipoiran'izao fihaonana izao. Nanampy azy tamin'izany ny Tranom-boky Monisipaly sy ny sekoly maro tany an-toerana. I BABITY Laurent, filohan'ny HAVATSA sampana Toamasina no namaky lay ny fihaonana ary nodimbiasan'ireo mpanao vela-kevitra, dia I.P.A. (Ramangatiana) sy Fara-H (Ramanambelina) izay samy mpanoratra sy mpampianatra avokoa.
 
 
 
Ny mpianatra no tena nokendrena tamin'ity hetsika ity satria nibahana tao amin'ny fandaharam-potoana, izay naharitra roa andro, ny fanehoana ireo bokim-pianarana manomboka amin'ny kilasy fahatelo ka hatramin'ny kilasy famaranana. Tsy diso anjara tamin'izany koa ireo mpampianatra, mpanoratra, mpanao gazety sy olon-tsotra maro tsy voatanisa.
 
 
 
Hatao toy ny valalan'amboa indray ve ny teny malagasy ka ny tompony indray no ho tsy tia ? Tsapa fa mahafehy tsara ny teny malagasy ny mponin'i Toamasina sady mahafehy ihany koa ny fitenim-paritra. Ny fitenim-paritra moa dia harem-pirenena tokoa ka tsy maintsy tandrovana. Marihana fa maro amin'ireo teny malagasy ofisialy, lazaina fa nentin'ireo mpihavy avy any Azia, no tsy tenenina intsony. Any amin'ny tenim-paritra sy anaran-tany anefa no mbola ahitana azy.
 
Fisaorana lehibe no atolotra an'ireo mpikarakara ny hetsika. Tsy hadinoina etoana ireo vahoaka maro be naneho ny fitiavany hanandratra ny kolo sy ny teny malagasy. Raha maniry hahafantatra bebe kokoa an'iny hetsika iny ianao dia mahazo mitsidika ny takelaka ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy
Betroka 
 

HAVATSA tao Antanimora

Nampidirin'i betroka | 5 Mey, 2010

Angamba ianao hanontany tena hoe Antanimora, ilay toerana fitazonana ny voafonja ve no novangian'ny HAVATSA ? Eny tokoa ! Tao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy no nahitana an'io lahatsoratra io. Toa zary fanaon'ity fikambanana ity ny manao hetsika miala kely amin'ny mahazatra.

Ny tena mahagaga aza dia tsy mba solon-tenan'ny fikambanana ihany no nidina teny fa ny birao foibe mihitsy izay notarihan'ny filohany Wilson Razafiarivony sy ny filoha lefitra voalohany IPA na Iharilanto Patrick Ramangatahiana.

Maro ny zava-niseho teny fa ny lehibe indrindra dia ilay fifaninana momba ny literatiora izay nanomezana loka ho an'ireo olona 10 nisongadina. Tsy azo amaivanina koa ny fanafanàna ny fotoana nataon'ny fikambanana tamin'ny alalan'ny tononkalo, sombin-tantara, kabary. Nanolotra boky ihany koa izy ireo ho an'ny efitra famakiam-boky ao an-toerana (jereo ny antsipirihany).

Tsy azo anaovana zanak'Ikalahafa ny literatiora eny fa na dia ireo olona sy karazan'olona efa nailiky ny fiaraha-monina aza. Tsy vitsy amin'izy ireny aza ve no lasa modelin'ny fiaraha-monina rehefa voaefa ny sazy ? Amin'izao fotoan-tsarotra lalovan'ny firenena izao mantsy dia mihamaro ireo olona voaheloka. Maro tokoa ny nahita fianarana ka te hanatevina ny fandalinam-baovao sy literatiora. Misy rahateo moa ny bado kanefa mangetaheta fahalalana. Ao amin'ny efitra famakiam-boky no azon'izy ireo itovozana izany. Tsy ho araky ny fanjakana koa ny famatsiana boky vaovao ao amin'ny fonja ka dia isaorana indrindra ny Havatsa tsy manadino. Manaraha koa izay afaka manao. Angamba mety hisy hieritreritra hoe izay gadra ve no hisahiranana kanefa ny olan'ny fiaraha-monina hafa aza tsy hita izay anaovana azy ? Mety ho marina angamba izany kanefa rehefa ny havana akaiky no lavo eny (misy aza nohon'ny tsy rariny) dia ho tsapa fa ilaina tokoa ny zavatra toy izao.

Mandram-piblaogy tompoko. 

Hetsiky ny Havatsa Toamasina

Nampidirin'i betroka | 23 Apr, 2010
Hetsika miala kely amin'ny mahazatra no tanterahana ao Toamasina amin'ny 13 sy 14 mey 2010 nohon'ny antony telo :
  • noho izy volavolain'ny sampana any amin'ny faritany
  • noho izy natokana manokana ho an'ny mpianatra
  • nohon'ny fiaraha miasa amin'ny Tranomboky Monisipaly sy ny sekoly maro.
Ankalazaina matetika ireo hetsika miseho ao Antananarivo. Maro anefa ireo sampana any amin'ny faritany, na ireo avy amin'ny Havatsa izany na ireo avy amin'ny Mpiray Faribolana. Efa fantatra ihany koa moa fa manana sampana any Frantsa ny Havatsa. Indraindray anefa dia tsy mba henoheno ny hetsika ataon'izy ireny. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia nanokana takelaka iray ho an'ity hetsika antsoina hoe "TSIDIKA ATSINANANA" ity ny tranonkalan'ny poeta malagasy. Voalaza ao koa aza fa hisy manampahefana sy mpanao gazety ho tonga amin'ny fotoam-panokafana. Ankoatra izany dia hisy mpikambana avy any amin'ny Hvatsa foibe koa hanatevin-daharana an'ireo mpikambana ao amin'ny sampana izay tarihan'ny filohany BABITY Laurent.
 
Ho fanabeazam-boho ny teny malagasy dia nitodika manokana any amin'ny mpianatra ny fikambanana. Havoitra amin'izany indrindraindrindra ireo boky malagasy tafiditra amin'ny fandaharam-pianarana manomboka amin'ny kilasy fahatelo ka hatramin'ny kilasy famaranana. Poeta sy mpanoratra fantatry ny maro no hanao famelabelaran-kevitra amin'izany :
  • Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA na IPA amin'ny bokiny "Vakivakim-piainana"
  • RAMANAMBELINA Henriette na FARAH-H izay mpampianatra/mpikaroka amin'ny teny malagasy rahateo.
  Hisy fampirantiana mandritry ny roa andro ao amin'ny Tranomboky Monisipaly. Hisy ihany koa ireo boky azo jifaina amin'ny vidiny mirary. Hitety sekoly ny fikambanana toy ny Lycée Rabemananjara sy ny Lycée Stella Maris. Ireo famelabelaran-kevitra voatanisa etsy ambony moa dia hanasana manokana ireo mpianatra avy amin'ny sekoly maro ao an-toerana. Na izany aza anefa dia azon'ny olon-drehetra atrehana ny fotoana rehetra. Ny fandaharam-potoana dia azonao jerena eto.

SAKOROKA

Nampidirin'i betroka | 16 Apr, 2010

Tsapa ho miroborobo tokoa ny poezia malagasy tato ho ato. Vao tsy ela akory no namoaka ny Tatamo manokana sy ny revio Havatsa ny fikambanana Havatsa. Teo ihany koa ny fankalazana ny faha 5 taonan'ny sampany any Frantsa. Etsy andanin'izany koa dia manohy ny seho fanaony isam-bolana ny mpiray Faribolana Sandratra.

Toy ny vao omaly ny sehon'ny "Hiran'ny matoy" sy ny "Anaty fon'ny tany" dia indro sahady fa mandondom-baravarana ny "Sakoroka" hiangalian'i MAHEFA sy JIMMY R.J.H. amin'ny alarobia 28 aprily ao amin'ny C.G.M., toerana mahazatra fihaonan'ny Sandratra sy ny mpakafy poezia. Ny fanahy raha miainga dia misy mpanamory. Tsy azo moramoraina anefa ny tranga aseho fa ireo sangan'ny aingam-panahin'izy mirahalahy mihitsy no hatolotra ao. Ny namana ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy dia nanokana sombin-dahatsoratra manokana momba ity hetsika ity.

Namoaka indray ny Havatsa : HAVATSA

Nampidirin'i betroka | 17 Mar, 2010

Izany lohateny izany ry namana no hitako tao amin'ny blaogy iray miresaka manokana momba ny tontolon'ny poezia malagasy. Tsy zoviana amin'ny mpakafy tononkalo intsony ny fikambanana Havatsa toa ilay zandriny (ara-taona) Faribolana sandratra.  Samy manana ny maha izy azy ireo fikambanana roa ireo eny fa na dia betsaka aza ny marimaritra iraisany : samy manao hetsika matetika andampihazo, samy mamoaka boky matetika, samy mamoaka revio sns. Fa ny momba ity farany ity no resahana eto satria tafavoaka ny revio HAVATSA, ilay nandimby ny VALIHA niarahana nanatontosa tamin'ny gazety lehibe Tribune de Madagascar. Fa maninona moa no nateraka indray ny revion'ny fikambanana ? Inona no votoatiny sns. Fanontaniana manitikitika ny saina amam-panahy izany ka asa raha misy afaka mamaly dia raisina an-tanan-droa.

Araka ny hevitray dia ilaina amin'izao vaninandron'ny fanontoloana izao ny mampitafy akanjo vaovao ny fitaovana enti-mamokatra. Eo indrindra koa moa ny firoboroboan'ny serasera sy ny aterineto ka angamba mbola tsy hita izay maharatsy ny soratra an-taratasy. Miloko rahateo moa ny boky izany hoe manara-penitra. Ny soratra rahateo moa hono mitoetra ary ny sary mitaratra ny marina ka inona indray moa fa tsy tafahaona izany ny tia sy ny manina ?

32 takila ny ao anatiny. Toa azo lazaina ho maivana ihany izany kanefa dia revio no resahana fa tsy boky tsy akory. Manaraka izany dia mamelà ahy ianareo ilazako fa mavesa-danja kosa ny votoatiny ary araka ny maha vitsy ny takelaka no maha voatery ny tomponandraikitra hamintina ny zava-boalaza. Io moa izany ilay tonga amin'ny fitenenana hoe toy ny donan-kafon'Analakely ka tonga dia eny ambovonana.

Izay no ela fa andeha ho tanisaina am-pahatsorana ireo renihevitra ao anatiny. Misy ny vahiny manan-kaja sy mahafantatra tsara ny haisoratra sy ny teny malagasy asaina. Ao koa no anazavana ny voambolana vao noforonina tsy mbola hita any amin'ny rakibolana ary tsy mbola nivoaka an-gazety. Ahitana toro-lalana na tari-dalana ao amin'ny revio indrindra fa ho an'ireo zandry zanaka vao mirotsaka amin'ny fanoratana. Betsaka tokoa ny renihevitra trandrahana ao kanefa tsy ary voatanisa ka ny mpanoratra ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy no manasa antsika hizaha ny boky ary hanandrana ny tsirony dieny izao ao amin'ny tranonkala ihany.

Mandra-piblaogy indray i Betroka.