Literatiora Betsimisaraka

Nampidirin'i betroka | 5 Sep, 2010
Eo amin'ny sehatry ny tononkalo malagasy dia mazàna ireo poeta mpikirakira teny malagasy ofisialy no tena fantatry ny maro. Misy dia misy tokoa anefa ireo poeta mivelatra amin'ny fitenim-paritra saingy tsy re ako any ivelan'ny toerana misy azy ireo. Antony lehibe mahatonga izany ny tsy fahafahana manonta boky ho azo vakian'ny rehetra. Ny fitenim-paritra rahateo moa indrisy fa tsy mahazo vahana loatra amin'ny fandaharam-pianarana manerana ny Nosy. Soa ihany fa eo dia eo kosa ny radiom-paritra miezaka manandratra ny sangan'asan'ireny mpanoratra ireny. Anisan'izany ny ao Toamasina araka ny tapatapak'ahitra nifanaovan'i Babity Laurent tamin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy. Mazava ho azy fa ny literatiora betsimisaraka no nifampizarana tamin'izany.

Mety hahatalanjona koa ankoatra izany ny fahatsapana fa manavanana azy ireny koa ny teny malagasy iombonana. Rehefa tomorona anefa dia tsy misy tokony hahagaga izany satria ampiasaina any an-tsekoly ny teny malagasy iombonana. Misy amin'ireny poeta sy mpanoratra ireny rahateo moa no mpampianatra teny malagasy. Mazava ho azy fa tombony ho azy ireny ny fahaizana fiteny roa eny fa na dia ny fananana voambolana maro dia maro tokoa satria ny tenim-paritra dia teny malagasy madio mangarahara.

Mitondra ny anjara birikiny entina manazava izany i Babity Laurent izay fantatra fa poeta, mpampianatra teny malagasy, mpiandraikitra fandaharana amin'ny radio momba ny haisoratra ary filohan'ny Havatsa Upem sampana Toamasina. Mampanahy azy ny fomba fampiasan'ny tanora ny teny malagasy araka ny voalaza ao amin'ny tranonkala.
Betroka