RAKIMAILAKA

Nampidirin'i betroka | 11 Jio, 2011

Ny poetawebs dia manolotra rakimailaka ho an'ny mpisera te hifandray manokana amin'ny poeta malagasy. Anisan'izany ianao mpakafy tononkalo, toy izany koa ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpanakanto samihafa sns. Raha liana ianao dia sokafy ny takelaka

http://poeta.webs.com/rakimailaka.html

 "... ndehana lazao ny tany rehetra ny momba ahy"

VELONA NY POEZIA MALAGASY !

Nampidirin'i betroka | 13 Nov, 2010
Tsapa ho nihanahazo aina tato ho ato ny hetsiky ny poeta sy mpanoratra malagasy. Inona angaha, hoy ianao, no maripana azo andrefesana izany ? Tsy hilaza ny iaraha-mahita sy iaraha-mandre izahay fa izay voalaza ombieny ombieny eny amin'ny haino aman-jery no aoka atao ampy ho porofo mitohaka amin'ny tendany, eny fa na dia tsy hiresaka afa tsy ny zava-niseho tato anatin'ny volana vitsy aza isika.

Tao ny herinandron'ny Havatsa tamin'ny volana oktobra toy ny fanao isan-taona. Niavaka ny tamin'ity taona ity satria nomen-danja ireo mpanoratra mamokatra sangan'asa ampiasain'ny mpianatra any an-tsekoly. Fantatra amin'izany ry Dox, Clarisse Ratsifandrihamanana, Rajemisa Raolison sns. Ankoatra ny diam-penin'ireo mpanoratra zokiny famakintsika any amin'ny Fary Mamy, Takelaka Notsongaina sns dia miseho sehatra ankehitriny ireo zandriny toa an-dry IPA Ramangatiana, ary misy aza no tena zandriny izay efa nanaovana asam-pikarohana eny amin'ny Anjerimanontolo ny talentany.

Anisan'ireny poeta zandriny ireny i Zo Maminirina mpiray Faribolana ao amin'ny Sandratra tamin'ny alalan'ny sanganasany "Nofinofinao". Rehefa miresaka Sandratra ihany isika dia tsy azo hodian-tsy fantatra ny hetsika indroa isam-bolana atolony ho an'ny mpakafy poezia izay ahazoan'olona hatrany ary tsy tapaka mihitsy nandritry ny 20 taona nijoroan'ny Mpiray Faribolana. Vao tamin'ny 27 oktobra teo ny mpijery no nianoka ny Anjoria. Tsy adinoin'ny maro koa "i Tanila" tamin'ny septambra sns. Arahan'ny famoaham-boky hatrany ireny hetsika ireny.


Na dia sarotra aza ny fanontana boky dia tsy mikely soroka ireo mpanakanto mandany mondro kely sy mikimpy maso mihitsy nohon'ny vesatry ny sarany. Singanina amin'izany ny bokin'i Hajaina "Sarinofy Randrantelo". Ary tsy ny eto an-toerana ihany no tafaroboka amin'izany fifaninanana "masina" izany fa ao koa ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any ampitandranomasina. Anisan'izany i Lalasoa Berïnson namoaka ny "Anakampoko", natolotra tao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy.

Maro tokoa ireo tranonkala miresaka momba ny poezia sy ny poety Malagasy. Voalohany amin'izany angamba ny "haisoratra.org" izay tsy tapaka mamoaka tononkalo sy vaovaon'ny haisoratra. Efa diso fantatry ny maro koa ny vetso.serasera izay, raha tsy diso ny faminavinanay, dia ahitana tononkalo betsaka indrindra. Ny zandriny indrindra amin'izy ireny, kanefa mahavelom-bolo, dia ny poetawebs izay tsy mihanona amin'ny fampielezana tononkalo sy vaovao fotsiny fa mamolavola tapatapak'ahitra iarahana amin'ny poeta. Anisan'izany ohatra ny resadresaka farany nifanaovana tamin'i Lalasoa Berïnson sy Antsiva. Manomboka maneho famakafakana tononkalo ihany koa ny tranonkala. Mikasika ireo tranonkala manokan'ny poeta indray dia ahitana ny lisitr'izy ireo ny tranonkalan'i Toetra RAJA.

Na dia eo aza ny herin'ny kolon-tsaina vahiny eto amintsika dia mendri-piderana tokoa ireo mifikitra amin'ny fampiroboroboana ny poezia malagasy amin'ny alalan'ny kely ananana. Tokony ampatsiahivina indray ve fa tsy moramora ny fikarakarana ireny sehatra indroa isam-bolana fanaon'ny Sandratra ireny kanefa dia tsy misy vidim-pidirana fa boky no amidy ? Akoatra ny boky teo aloha mbola tsy voajifa tanteraka dia misy ny boky natonta manokana ho an'ny sehatra. Misy sarany avokoa ireny kanefa soa ihany fa teo isika mpanjifa sehatra sy boky mamelombelona ny hafanam-pon'ireo poeta ho sokajiantsika toy ny mahery fon'ny literatiora malagasy. Soa fa miroborobo ny tranonkala iaretan-tory isan'andro kanefa atolotra maimaimpoana sy am-pitiavana. Soa fa ao ireo namantsika any ivelany miara-misalahy amintsika toy ny Havatsa Upem sampana Frantsa. Manankarena tokoa ity taona 2010 ity tamin'ny hetsika an-tsehatra, hetsika an-tsoratra ary  hetsika an-tserasera, ka andeha isika hiara-hiredona hoe "velona ny poezia malagasy !"

Betroka

FAMAKAFAKANA TONONKALO

Nampidirin'i betroka | 17 Okt, 2010
Olon'ny fo ny Malagasy ka izany angamba no maha be mpakafy asa soratra mampihetsi-po toy ny tononkalo. Porofo mitohaka amin'ny tendany ireo tononkalo zavon-tany miparitaka eny anaty tranonkala maro, eny fa na dia tsy hilaza afa-tsy ireo anarivony hita ao amin'ny vetso serasera aza isika. Ny mahagaga sy somary mahazendana kely fotsiny dia ireo fanamarihana toa somary maivamaivana ihany matetika ka tsy mifanaraka loatra amin'ny lanjan'ny hakanton'ny asa soratra. Raisinay ohatra ireto hevitra manohy ny tononkalo ireto izay zary mahazatra ny mpamaky :

  • Tsy asiana ady hevitra fa marina tanteraka izay voalaza
  • Ao aminao ilay talenta
  • Omeko isa dimy
  • Tena lafatra, asio hafa e
  • Marina tanteraka
  • kanto ery sns.

Tsy sanatria akory hoe tsy misy lanjany izy ireny, sanatria dia sanatria. Ny mifanohitra amin'izany aza no tokony ho lazaina satria arakaraka ny hamaroan'ireny tsikeram-pankasitrahana ireny no vao mainka mampitombo herim-po ny mpanoratra hanao ny misimisy hatrany. Ny "misimisy" hatrany anefa, hoy izahay, fa tsy ny tsaratsara kokoa. Ny kalitao anefa no tena zava-dehibe. Aleo kokoa mamorona tononkalo roa na telo fotsiny eo amin'ny androm-piainana, kanefa avo lenta, toy izay nahavita anarivony kanefa maivamaivana ihany ny kalitaony. Ao ireo feno fahadisoana tsipelina, misy indray ireo tsy migadona mihitsy fa toy ny mamaky lahatsoratra ihany ianao, ary misy aza ireo tsy mampihetsi-po akory na dia kely aza. Tsy sanatria akory misy ny fialonana rehefa ny tononkalo tsy mifanaraka amin'ny heverin'ny tena hoe "tsara" no mahazo fankasitrahana lavareny. Ny hampiakatra avo ny tononkalo malagasy no banjinina. Ny tena marina anefa dia sarotra dia sarotra ny hitompo teny fatratra hoe "tsara" ity tononkalo ity. Ny mari-pana azo eken'ny be sy ny maro ohatra dia ny fahatongavan'ireny tononkalo ireny ho eo ambany mason'ireo mpanala fanadinana.

Toy ny zavatra rehetra dia miaina ny tononkalo. Misy ireo azo lazaina fa manana fetr'aina tsy mihoatran'ny andro vitsivitsy. Ao kosa ireo lava velona hatrany ka na dia efa an-jato taonany maro aza no niainany dia mbola sedrain'ny famakafakan'ireo zanaka amam-para ihany. Mazava ho azy fa tsy mitovy fijery ireo mpamakafaka, indrindra anie ka olona tsy mitovy vanim-potoana iainana no manao izany. Ny mpanoratra sy ny mpamakafaka rahateo aza moa tsy voatery hitovy fihevitra.

Mby eo amin'ity resaka famakafakana ity indrindra isika izao. Nahatalanjona anay ny nahita kisendrasendra famakafakana tononkalo izay mbola tsy hitanay mihitsy tamina tranonkala. Antenaina anefa fa tsy maningana izy ity fa mba misy any ho any mpamakafaka (mpampianatra teny malagasy, mpianatra, mpikaroka, mpanoratra, olon-tsotra sns) mampiely fanadihadiana eo anivon'ny tranonkala. Ny tononkalo mantsy dia asa soratra; ny famakafakana koa dia mbola asa soratra ihany koa. Tsy ho lava taria intsony izahay fa mamporisika anao hamaky ny famakafakana ny tononkalon'i Rô Andriamaneva mitondra ny lohanteny hoe "Nikimpy aho", izay nosoratana tamin'ny taona 1963 ary nofakafakaina ankehitriny, 47 taona taty aoriana. Mamporisika anao mpamaky koa izahay, izay afaka, hanandratra ny tononkalo malagasy amin'ny alalan'ny famakafakana. Misaotra tompoko.
Betroka

VASAVASA ... TAFATAFA

Nampidirin'i betroka | 8 Okt, 2010
Tsy andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy akory ny faha 13 oktobra 2010 fa andro alarobia faharoan'ny volana, andro mahazatra fihaonan'ny Mpiray Faribolana amin'ireo mpakafy tononkalo sy haisoratra. Hiavaka anefa ny amin'ity indray mitoraka ity satria hanana ny toerany manokana ireo poeta sy mpanoratra andriambavilanitry Gasikara. Lydiary na Rakotosolofo Lydia, vady andefimandrin'i Solofo José, no hamelabelatra ny lohahevitra "Ny vehivavy sy ny haisoratra" amin'ny alalan'ny teny filamatra manao hoe "vasavasa ... tafatafa". Hiarahany manatontosa amin'ny Mpiray Faribolana aminy izany ao amin'ny Foiben-toeran'ny Vaomieram-pirenena Malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO ao Behoririka.

Aiza ho aiza ny toeran'ny vehivavy amin'ny haisoratra ankehitriny ? Mialoha izany dia tsara ny mampatsiahy fa azo nisaina tamin'ny rantsan-tanana ireo vehivavy poeta sy mpanoratra nalaza tany aloha. Na teo aza ny fahavitsiana dia tiana ny hitanisa anarana sendra mitambolina ao an-tsaina noho ireo diam-penina nandrotsika ny fo amam-panahy nandritra ny taom-polo maro. Anisan'izany ry Clarisse Ratsifandrihamanana, Esther Randriamamonjy, Josephine Ranirina (Ny ombin-tsarety sy ny olona), Ravaoseheno Suzanne, Sahondra Ravaka, Esther Ralalaharisendra (Essy Lala), G.R.G., Ramaholimihaso sns. Taty aoriana indray dia zary tsy tambo isaina ireo nanara-dia nitondra ny filamatra ka nipoiran'i Antsiva, Thina Andriafaly, Niravo (Voahirana Randria), Hanitr'Ony, Aina Randrianaivosoa, Tolotra Arinandriana, Tsirinala, Hajaina, Ny Eja, Fara-H, Emée, Abéline Eléonore, Griffine sns. Ary tsy hay ny tsy hanonona indray ny anaran'i Lydiary, izay sady poeta no mpanoratra, mpisehatra, mpanabe ary mpamorona tantara an'onjam-peo ihany koa. Izy rahateo koa moa no anisan'ireo vy nahitana ny Faribolana Sandratra.

Fandre matetika ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika, fanatanjahan-tena, fivavahana, hira sy mozika sns. Tsy ho omby araka izany ny toerana azo hitanisana ireo anaran'olona malaza sy mivelatra eo amin'ny isan-tokajiny. Ary eo amin'ny haisoratra ? Tongava maro hanatrika ny vela-kevitra momba izany amin'ny 13 oktobra (jereo ny petadrindrina).
 
Betroka

TSIDIKA ATSINANANA TAO TOAMASINA

Nampidirin'i betroka | 28 Mey, 2010
Tratra ny tanjona araka ny hita tao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny tranonkalan'ny poeta malagasy. "Nibosesika ny olona" hoy ny mpanoratra ary hiboka avokoa izay efitrano rehetra nanaovana fihaonana tamin'ny 28 mey 2010 teo tao Toamasina.

 
Tsy nampoiziko ihany ny naha betsaka ireo olona liana sy mamnkafy ny haisoratra malagasy any amin'ny faritany. Izaho aho vao tsapa tokoa fa iray ihany ny teny malagasy toy ny Malagasy ihany. Ny HAVATSA UPEM no loharano nipoiran'izao fihaonana izao. Nanampy azy tamin'izany ny Tranom-boky Monisipaly sy ny sekoly maro tany an-toerana. I BABITY Laurent, filohan'ny HAVATSA sampana Toamasina no namaky lay ny fihaonana ary nodimbiasan'ireo mpanao vela-kevitra, dia I.P.A. (Ramangatiana) sy Fara-H (Ramanambelina) izay samy mpanoratra sy mpampianatra avokoa.
 
 
 
Ny mpianatra no tena nokendrena tamin'ity hetsika ity satria nibahana tao amin'ny fandaharam-potoana, izay naharitra roa andro, ny fanehoana ireo bokim-pianarana manomboka amin'ny kilasy fahatelo ka hatramin'ny kilasy famaranana. Tsy diso anjara tamin'izany koa ireo mpampianatra, mpanoratra, mpanao gazety sy olon-tsotra maro tsy voatanisa.
 
 
 
Hatao toy ny valalan'amboa indray ve ny teny malagasy ka ny tompony indray no ho tsy tia ? Tsapa fa mahafehy tsara ny teny malagasy ny mponin'i Toamasina sady mahafehy ihany koa ny fitenim-paritra. Ny fitenim-paritra moa dia harem-pirenena tokoa ka tsy maintsy tandrovana. Marihana fa maro amin'ireo teny malagasy ofisialy, lazaina fa nentin'ireo mpihavy avy any Azia, no tsy tenenina intsony. Any amin'ny tenim-paritra sy anaran-tany anefa no mbola ahitana azy.
 
Fisaorana lehibe no atolotra an'ireo mpikarakara ny hetsika. Tsy hadinoina etoana ireo vahoaka maro be naneho ny fitiavany hanandratra ny kolo sy ny teny malagasy. Raha maniry hahafantatra bebe kokoa an'iny hetsika iny ianao dia mahazo mitsidika ny takelaka ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy
Betroka