Tsapa ho miroborobo tokoa ny poezia malagasy tato ho ato. Vao tsy ela akory no namoaka ny Tatamo manokana sy ny revio Havatsa ny fikambanana Havatsa. Teo ihany koa ny fankalazana ny faha 5 taonan'ny sampany any Frantsa. Etsy andanin'izany koa dia manohy ny seho fanaony isam-bolana ny mpiray Faribolana Sandratra.
Toy ny vao omaly ny sehon'ny "Hiran'ny matoy" sy ny "Anaty fon'ny tany" dia indro sahady fa mandondom-baravarana ny "Sakoroka" hiangalian'i MAHEFA sy JIMMY R.J.H. amin'ny alarobia 28 aprily ao amin'ny C.G.M., toerana mahazatra fihaonan'ny Sandratra sy ny mpakafy poezia. Ny fanahy raha miainga dia misy mpanamory. Tsy azo moramoraina anefa ny tranga aseho fa ireo sangan'ny aingam-panahin'izy mirahalahy mihitsy no hatolotra ao. Ny namana ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy dia nanokana sombin-dahatsoratra manokana momba ity hetsika ity.