VELONA NY POEZIA MALAGASY !
Nampidirin'i betroka | 13 Nov, 2010Tsapa ho nihanahazo aina tato ho ato ny hetsiky ny poeta sy mpanoratra malagasy. Inona angaha, hoy ianao, no maripana azo andrefesana izany ? Tsy hilaza ny iaraha-mahita sy iaraha-mandre izahay fa izay voalaza ombieny ombieny eny amin'ny haino aman-jery no aoka atao ampy ho porofo mitohaka amin'ny tendany, eny fa na dia tsy hiresaka afa tsy ny zava-niseho tato anatin'ny volana vitsy aza isika.
Tao ny herinandron'ny Havatsa tamin'ny volana oktobra toy ny fanao isan-taona. Niavaka ny tamin'ity taona ity satria nomen-danja ireo mpanoratra mamokatra sangan'asa ampiasain'ny mpianatra any an-tsekoly. Fantatra amin'izany ry Dox, Clarisse Ratsifandrihamanana, Rajemisa Raolison sns. Ankoatra ny diam-penin'ireo mpanoratra zokiny famakintsika any amin'ny Fary Mamy, Takelaka Notsongaina sns dia miseho sehatra ankehitriny ireo zandriny toa an-dry IPA Ramangatiana, ary misy aza no tena zandriny izay efa nanaovana asam-pikarohana eny amin'ny Anjerimanontolo ny talentany.
Anisan'ireny poeta zandriny ireny i Zo Maminirina mpiray Faribolana ao amin'ny Sandratra tamin'ny alalan'ny sanganasany "Nofinofinao". Rehefa miresaka Sandratra ihany isika dia tsy azo hodian-tsy fantatra ny hetsika indroa isam-bolana atolony ho an'ny mpakafy poezia izay ahazoan'olona hatrany ary tsy tapaka mihitsy nandritry ny 20 taona nijoroan'ny Mpiray Faribolana. Vao tamin'ny 27 oktobra teo ny mpijery no nianoka ny Anjoria. Tsy adinoin'ny maro koa "i Tanila" tamin'ny septambra sns. Arahan'ny famoaham-boky hatrany ireny hetsika ireny.
Na dia sarotra aza ny fanontana boky dia tsy mikely soroka ireo mpanakanto mandany mondro kely sy mikimpy maso mihitsy nohon'ny vesatry ny sarany. Singanina amin'izany ny bokin'i Hajaina "Sarinofy Randrantelo". Ary tsy ny eto an-toerana ihany no tafaroboka amin'izany fifaninanana "masina" izany fa ao koa ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any ampitandranomasina. Anisan'izany i Lalasoa Berïnson namoaka ny "Anakampoko", natolotra tao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy.
Maro tokoa ireo tranonkala miresaka momba ny poezia sy ny poety Malagasy. Voalohany amin'izany angamba ny "haisoratra.org" izay tsy tapaka mamoaka tononkalo sy vaovaon'ny haisoratra. Efa diso fantatry ny maro koa ny vetso.serasera izay, raha tsy diso ny faminavinanay, dia ahitana tononkalo betsaka indrindra. Ny zandriny indrindra amin'izy ireny, kanefa mahavelom-bolo, dia ny poetawebs izay tsy mihanona amin'ny fampielezana tononkalo sy vaovao fotsiny fa mamolavola tapatapak'ahitra iarahana amin'ny poeta. Anisan'izany ohatra ny resadresaka farany nifanaovana tamin'i Lalasoa Berïnson sy Antsiva. Manomboka maneho famakafakana tononkalo ihany koa ny tranonkala. Mikasika ireo tranonkala manokan'ny poeta indray dia ahitana ny lisitr'izy ireo ny tranonkalan'i Toetra RAJA.
Na dia eo aza ny herin'ny kolon-tsaina vahiny eto amintsika dia mendri-piderana tokoa ireo mifikitra amin'ny fampiroboroboana ny poezia malagasy amin'ny alalan'ny kely ananana. Tokony ampatsiahivina indray ve fa tsy moramora ny fikarakarana ireny sehatra indroa isam-bolana fanaon'ny Sandratra ireny kanefa dia tsy misy vidim-pidirana fa boky no amidy ? Akoatra ny boky teo aloha mbola tsy voajifa tanteraka dia misy ny boky natonta manokana ho an'ny sehatra. Misy sarany avokoa ireny kanefa soa ihany fa teo isika mpanjifa sehatra sy boky mamelombelona ny hafanam-pon'ireo poeta ho sokajiantsika toy ny mahery fon'ny literatiora malagasy. Soa fa miroborobo ny tranonkala iaretan-tory isan'andro kanefa atolotra maimaimpoana sy am-pitiavana. Soa fa ao ireo namantsika any ivelany miara-misalahy amintsika toy ny Havatsa Upem sampana Frantsa. Manankarena tokoa ity taona 2010 ity tamin'ny hetsika an-tsehatra, hetsika an-tsoratra ary hetsika an-tserasera, ka andeha isika hiara-hiredona hoe "velona ny poezia malagasy !"
Betroka