HAVATSA tao Antanimora

Nampidirin'i betroka | 5 Mey, 2010

Angamba ianao hanontany tena hoe Antanimora, ilay toerana fitazonana ny voafonja ve no novangian'ny HAVATSA ? Eny tokoa ! Tao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy no nahitana an'io lahatsoratra io. Toa zary fanaon'ity fikambanana ity ny manao hetsika miala kely amin'ny mahazatra.

Ny tena mahagaga aza dia tsy mba solon-tenan'ny fikambanana ihany no nidina teny fa ny birao foibe mihitsy izay notarihan'ny filohany Wilson Razafiarivony sy ny filoha lefitra voalohany IPA na Iharilanto Patrick Ramangatahiana.

Maro ny zava-niseho teny fa ny lehibe indrindra dia ilay fifaninana momba ny literatiora izay nanomezana loka ho an'ireo olona 10 nisongadina. Tsy azo amaivanina koa ny fanafanàna ny fotoana nataon'ny fikambanana tamin'ny alalan'ny tononkalo, sombin-tantara, kabary. Nanolotra boky ihany koa izy ireo ho an'ny efitra famakiam-boky ao an-toerana (jereo ny antsipirihany).

Tsy azo anaovana zanak'Ikalahafa ny literatiora eny fa na dia ireo olona sy karazan'olona efa nailiky ny fiaraha-monina aza. Tsy vitsy amin'izy ireny aza ve no lasa modelin'ny fiaraha-monina rehefa voaefa ny sazy ? Amin'izao fotoan-tsarotra lalovan'ny firenena izao mantsy dia mihamaro ireo olona voaheloka. Maro tokoa ny nahita fianarana ka te hanatevina ny fandalinam-baovao sy literatiora. Misy rahateo moa ny bado kanefa mangetaheta fahalalana. Ao amin'ny efitra famakiam-boky no azon'izy ireo itovozana izany. Tsy ho araky ny fanjakana koa ny famatsiana boky vaovao ao amin'ny fonja ka dia isaorana indrindra ny Havatsa tsy manadino. Manaraha koa izay afaka manao. Angamba mety hisy hieritreritra hoe izay gadra ve no hisahiranana kanefa ny olan'ny fiaraha-monina hafa aza tsy hita izay anaovana azy ? Mety ho marina angamba izany kanefa rehefa ny havana akaiky no lavo eny (misy aza nohon'ny tsy rariny) dia ho tsapa fa ilaina tokoa ny zavatra toy izao.

Mandram-piblaogy tompoko.