Namoaka indray ny Havatsa : HAVATSA
Nampidirin'i betroka | 17 Mar, 2010Izany lohateny izany ry namana no hitako tao amin'ny blaogy iray miresaka manokana momba ny tontolon'ny poezia malagasy. Tsy zoviana amin'ny mpakafy tononkalo intsony ny fikambanana Havatsa toa ilay zandriny (ara-taona) Faribolana sandratra. Samy manana ny maha izy azy ireo fikambanana roa ireo eny fa na dia betsaka aza ny marimaritra iraisany : samy manao hetsika matetika andampihazo, samy mamoaka boky matetika, samy mamoaka revio sns. Fa ny momba ity farany ity no resahana eto satria tafavoaka ny revio HAVATSA, ilay nandimby ny VALIHA niarahana nanatontosa tamin'ny gazety lehibe Tribune de Madagascar. Fa maninona moa no nateraka indray ny revion'ny fikambanana ? Inona no votoatiny sns. Fanontaniana manitikitika ny saina amam-panahy izany ka asa raha misy afaka mamaly dia raisina an-tanan-droa.
Araka ny hevitray dia ilaina amin'izao vaninandron'ny fanontoloana izao ny mampitafy akanjo vaovao ny fitaovana enti-mamokatra. Eo indrindra koa moa ny firoboroboan'ny serasera sy ny aterineto ka angamba mbola tsy hita izay maharatsy ny soratra an-taratasy. Miloko rahateo moa ny boky izany hoe manara-penitra. Ny soratra rahateo moa hono mitoetra ary ny sary mitaratra ny marina ka inona indray moa fa tsy tafahaona izany ny tia sy ny manina ?
32 takila ny ao anatiny. Toa azo lazaina ho maivana ihany izany kanefa dia revio no resahana fa tsy boky tsy akory. Manaraka izany dia mamelà ahy ianareo ilazako fa mavesa-danja kosa ny votoatiny ary araka ny maha vitsy ny takelaka no maha voatery ny tomponandraikitra hamintina ny zava-boalaza. Io moa izany ilay tonga amin'ny fitenenana hoe toy ny donan-kafon'Analakely ka tonga dia eny ambovonana.
Izay no ela fa andeha ho tanisaina am-pahatsorana ireo renihevitra ao anatiny. Misy ny vahiny manan-kaja sy mahafantatra tsara ny haisoratra sy ny teny malagasy asaina. Ao koa no anazavana ny voambolana vao noforonina tsy mbola hita any amin'ny rakibolana ary tsy mbola nivoaka an-gazety. Ahitana toro-lalana na tari-dalana ao amin'ny revio indrindra fa ho an'ireo zandry zanaka vao mirotsaka amin'ny fanoratana. Betsaka tokoa ny renihevitra trandrahana ao kanefa tsy ary voatanisa ka ny mpanoratra ao amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy no manasa antsika hizaha ny boky ary hanandrana ny tsirony dieny izao ao amin'ny tranonkala ihany.
Mandra-piblaogy indray i Betroka.