AKON'NY HIRAN'NY MATOY
Nampidirin'i betroka | 6 Mar, 2010Variana ery ahonisavasava ny raki-tsary niely tao amin'ny facebook mikasika an'iny sehatry ny"ALIN'NY MATOY" iny. Dia tena fety tokoaanie ny teny ! Resy lahatra aho fa mbola betsaka ny Malagasy voasarik'irenyangalin-tononkalo ireny. Manontany tena ihany anefa aho fa sao dia nohon'nymaha matotra sy be traikefa an'ireo nanafana ny lanonana no nahabetsaka nyolona ?

Raha todihana dia anisan'ireo galifantsin'ny tononkalo malagasy izy telolahy matoy ireo. Tsy zoviana amin'ny maro i Nalisoa Ravalitera, izaympampianatra teny malagasy, anisan'ireo nanoratra ny boky fiton'ny FARY MAMY,efa nosedrainay tany amin'ny bakalorea aza ny poeziany. I Om'Guy indray moa diatsy zoviana fa lehiben'ny tarika NY AINGA. Fantatsika loatra ny hakanton'nytononkiran'izany tarika izany. I Ranoe indray dia ialako tsiny fa tsy diafantatro loatra ankoatra ny anarany resahana matetika amin'ny gazety syOnjam-peo.
Raha ny amin'nympijery indray dia nahavariana tokoa fa raha mbola tsy nivoha akory nyvaravaran'ny C.G.M. dia efa maro no nilahatra teny ivelany. Fantatra loatra moafa zavatra tena mahaliana tokoa no ilaharan'ny olona raha tsy hiresaka afa-tsyny filaharam-bary isika. Tao anatiny indraynony avy eo dia hiboka olona hatrany amin'ny varavarana ka hatreo an-tongotryny sehatra. Maro araka izany no tsy nahazo seza fa nitalapetraka na nitsangana.Tanora no betsaka ary nilamina tokoa izy ireo satria na ireo tsy nahazo sezaaza dia samy nangilan-tsofina avokoa tao anaty fahatoniana, izany no tongaamin'ny fitenenana hoe ny feon-dalitra aza re. Nandray anjara tokoa ny mpijery,tsy tamin'ny alalan'ny tehaka sy tsikitsiky ihany fa tamin'ny tsangan-tanana,tamin'ny fandraisana an-tsoratra ny zavatra mivaingana tamin'ny fampisehoana.

Raha fintinina amin'ny teny fohy dia olon'ny fo ny Malagasy na diafahita amin'ny fiainana andavanandro aza ny adilahy sy ny hazakazakaarahan-tosika isankarazany. Misy ihany ny fotoana hilantoana sy hiatoana arakailay fampisehoan'i Avelo Nidor sy Tahirintsoa ary Solofo José mitondra nylohanteny hoe "FOTOANA MIHANTONA". Tsy ny tononkalon'ireo ngezalahyefa nodimandry ihany tahaka an-dry Dox, Rabearivelo, Rado sns akory nomahasarika ny olona fa efa nanangana olona "MATOY" vaovao ny mpakafytononkalo. Ilain'ny mpijery tokoa ny mihaona mivantana amin'ireny olona ireny. Etoam-pamaranana aho dia te hamaly ilay fanontaniana napetrako teny amboalohany. Tsia,tsy ny hiran'ny matoy ihany akory no mahasarika ny olon'ny fo satriaisaky ny miaka-tsehatra, na ny mpiray Faribolana na ny Havatsa dia mahavorympakafy avokoa.
Ankoatra ny faccebook dia miresaka momba an'ity sehon'ny Sandratra itykoa ny tranonkalan'ny Poeta Malagasy.
Misaotra anao nitondra fanampim-panazavana !Efa nahita ny sary teny aminn'y takilandrohy fa nahazo tombony koa eto !Isann'y nahatalanjona ahy ihany koa ny habetsahan'ny tanora nilahatra ,dia mahavelom-bolo fa tsy maty ary mety ho faty itony Tononkalo itony !Inoako fa na eo aza ny maha-kalaza ireo olona nomarihinao dia tsy kely fanatenana aho fa hisy hatrany ny ho liana sy hanaraka !Kanto ny Tononkalo ary mahalaza zavatra betska tokoa !
Nampidirin'i fahamarinana 06 Mar 2010, 13:47Mpankafy zato isan-jato ny rehetra zarain'ny Faribolana aho ary maniry hanatrika izany indray andro any !:-))
Nanao fitadiavana kianjoanjo tamin'ity ilay antsoina hoe gogila (google) dia tafatontona eto amin'ny bolongan-dahatsoratry betroka. Mankasitraka anareo rehetra izay nino, mbola mino ary mbola hino ny hasina kobonin'ny haisoratra, sy ny fanelezana azy toy izao.
Mahafinaritra ahy ny lahatsoratry betroka, tsy dia misy alahatra firy aho hamaliana azy fa ny tiana ambara dia ho feno roapolo taona amin'io volana mey io ny nanaovanay faribolana sandratra antsantononkalo tao amin'ny C.G.M. Nisy ny fotoana tena nahavory olona (toy ny tamin'ny Hiran'ny Matoy sy ny hafa), nisy ny fotoana eo ho eo ihany ny isan'ny olona, saingy efa niainana koa izany isan'ny olona mitovy amin'ny isan'ny mpiantsa ka nifanaovanay sangy ratsim-pitenenana hoe " hitory teny an'efitra indray anio"
Ny mampijoro anay anefa dia ny tsangan-kevitra itambaranay hoe aleo lavitra olona vitsivitsy mankafy sy tafiditra tsara toy izay misy olona tsy tafiditra any am-baravarana anefa ny olona tafiditra ao an-trano aza "tsy tafiditra"
Dia mankalaza ny fotoananay manaraka hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny poezia (21 martsa) amin'ny antsantononkalo AO ANATY FON'NY TANY ny 24 martsa 2010 eny amin'ny C.G.M. ihany.
Farany, manantitra ny fankalazanay ny faha 20 taona niantsana tao amin'ny C.G.M. amin'ny volana mey ihany koa (ingahy elie rajaonarison no ho tompon'antoka amin'ny kopaka sy ketrika amin'io fotoana io.)
Tahirintsoa
Nampidirin'i Tahirintsoa 19 Mar 2010, 12:49